<?xml version="1.0" encoding="UTF-8"?><song><title>Jesosy Kristy Tompo o FFPM405</title>
<lyrics>[V1]
 Jesosy Kristy Tompo ô !
 Mba mamindra fo, e !
 Fa raha tsy hatoninao,
 Mahantra aho re !

[V2]
 Mifona sy mangataka
 Izaho Tompo ô,
 Noho ny ranao latsaka,
 Vonoy ny heloko.

[V3]
 Ny famonjena vitanao,
 Tsy hain'ny hafa atao ;
 Ny teny sy ny herinao
 Dia ampy hanavao.

[V4]
 Ho heriko ny indrafo
 Sy ny fitiavanao,
 Ka faly ny fanahiko,
 Fa velon-ko Anao.

[V5]
 Ny hazofijaliana
 Anjarako atý,
 Fa satro-pifaliana
 Ho azoko arý.</lyrics>
<hymn_number>405</hymn_number>
</song>